Tamin'ny voalohany ny Teny! Ary ny Teny dia tao amin'Andriamanitra ! Ny Teny dia Andriamanitra ! Andriamanitra sy ny Teniny no ivon'ny zavatra rehetra foana ary fiandohan'nybzavatra rehetra tiana hanan-danja. Raha tianao ho tonga lavitra ny fiainanao, dia Andriamanitra sy ny Teniny no zavatra mila apetrakao voalohany indrindra. Ny fahendrena ao anatinao no maneho ny fomba fisainanao. Ny olon-kendry dia manangan-javatra. Izay zavatra voatsanganao no hitarafana ny fahendrenao. Ny fahendrena no fanalahidy fara-tampony amin'ny fahaiza-manao entina mitarika ilainao ao amin'ny asa fanompoana. Fahendrena no fanalahidy entina mamaha ireo fanamby hita amin'ny fitarihana. Nangataka fahendrena tamin'Andriamanitra Solomona. Dia nomen'Andriamanitra fo hendry sy mahatakatra izy. Ny vokatra nentin'izany fo hendry sy mahatakatra izany dia hitantsika saika manerana ny Baiboly. Ity boky ity dia tsy miresaka hafetsifetsena na famitahan'olona. Tsy miresaka teny mahataona mahavaka ny olona ihany koa ity boky ity. Fa ny mpanoratra eto, Eveka Dag Heward-Mills, dia te hanindry amin'ny mpamaky fa na maro aza ny karazam-pahendrena, dia ny Tenin'Andriamanitra no voalohany indrindra.